EFA TARA LOATRA - Miangaly Teny
Azo vakiana?
Eto an-tokotany aho
Manisa moramora
Ireo vitsika mandalo
Mitady izay harapany
Dia mahatsiaro anao
Nifindra toeran-kafa aho
Nikitika finday
Nahita sarisary
Dia nalahelo anao
Ka tsy nahatana ranomaso
Nisento tsy ankijanona
Nanaikitra ny hanina
Mahatsiro ny taloha
Ny fiarahantsika roa
Nefa indrisy fa tsy anjara
Efa tara loatra
Raha hipody aho
Satria ianao efa
Eo anilany
Mianoka ny mamy
Ka ho zakaiko
Na marary
Manimba izato foko
Ilay mahatsiaro anao
R’ilay malalako taloha
Mombamomba
Mpanoratra : Miangaly Teny
Nampiditra : 0109
Daty : 10/05/2022
Mpamangy : 145
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
RAHA...KAMARA
AOKA
Iny tsikiny iny
Vehivavy
Io raozy io