You are here: home > Vetso

Io raozy io - Miangaly Teny

Azo vakiana?


​Nitsimoka ilay raozy ao an-jaridaina
​Madera tsara loko rehefa injay namelana
​Mena manintona ka lasa tiako halaina
​Nefa tsy tiako halazo indray ny felany

​Tena ilaiko ity izy handravaka ny tranoko
​Nefa mety haratrain'ireo tsilo ny  tanako
​Sady hatahorako  tsy haharitra ela
​Ity lokony misarika mena dia mena

​Mitsiriritra fotsiny izato hankatonao
​No ataoko fa ianao tsy ho azo halaina
Ka ​mitondrà re ianao hatsarana vaovao!
​Hahalafatra hatrany ilay zaridaina

Sokajy : Aingam-panahy

Hevitra mandeha

hery (23/04/2022 11:08:17)

Teny ilaiko sa hoe Tena ilaiko?

Mombamomba

Mpanoratra : Miangaly Teny


Nampiditra : 0109
Daty : 22/04/2022
Mpamangy : 266
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

EFA TARA LOATRA
RAHA...
KAMARA
AOKA
Iny tsikiny iny
Vehivavy