Alohan' ny hahafatesako (Miarantsoa Anicet)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha mba mahita anao
Alohan' ny hahafatesako !

Alohan' ny hahafatesako raha mbola velona aho
Dia tsy maintsy hanao
Izay hahitana anao .
Na tsy afaka hamindra
na olona handringa
De hiezaka , tsy maintsy
Hiharana anao .
Alohan' ny hahafatesako
Tsy maintsy hahita anao
Nofo misy rĂ  .
Tsy nofinofy intsony
Ny handrenesako azy
Mitempo sy mamony.
Tsy nofinofy intsony
Ny hitsapako ny fony tena fony .
Tsy nofinofy intsony
Alohan' ny hahafatesako raha mbola velona aho.

Raha am- pialana ny aiko
Dia ianao ry lalaiko
No hanandratam- bavaka !
Satria.........Ianao no fanahiko .
MIARANTSOA ANICET
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
986 0
Hevitra mandeha
nikopol ( 02/05/2005 08:24)
Miarantsoa ie, aleo mahita azy ihany aloha aloan'ny mandrakizay lol
masaka e !
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146