Anjely a ! (Miarantsoa Anicet)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Anjely a ! Volana !
Hitanao ?
NIposaka ny volana .
Efa nahita ianao ?
Volana misaika
Eny an ' onin ' Andriamanitra.
Eny an' ony : vahandanitra.
Anjely a ! Volana !
Volana vita avy any an- danitra.
Anjely a !
mahantra ka mahantra
'Zay tsy mahita an' io .
Anjely a !
Volana...mihanjahanja
Volana ...mbola tsisy banga
Fa feno izao ny nifiny .
Anjely a !
Rahampitso izao de
Hikentrona ny handriny ,
Halazo koa ny sandriny,
Hihintsana ny nifiny ,
Halalaka ny sikiny ,
Angamba koa hanjoko
Dia ny hodiny haroko ...
Anjely a !
Andraso fa ny volana tanora
no omeko anao miora .
Sangisangy izany
Fa tsy azo ataoko manko!

Ny volana eny ambony ah,
Tsy azontsika alaina .
Na aza hoe somony
Izaho sy ianao ry aina
Dia : izay voarara dia voarara .
Izay voalaza sy nambara
Tsy azoko dikaina:
Ny volana tanora
tsy azontsika alaina.

Anjely a !
Anjely , Volana !
MIARANTSOA ANICET
--------
Rohy:
Sokajy : fanantenana
1275 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097