Any alavitra any (Miarantsoa Anicet)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANY ALAVITRA ANY
Any alvitra any ianao...
Aza dia manindry mandry
eto ny alina vaovao
Tsy mipy fa mbola miandry.

De miandrandra fiovàna ...
Manantena anao ho hendry
hadinoy e ny hadalana
Sy ny ditra zay tinendry.

Any alavitra any ialahy
Matoria e sombinaiko
matoria : aza manahy
valifaty izany tsy haiko.

Mbola miandry anao hiverina
Amin' ny foko manontolo...
'Lay anjely avy eto Imerina ?
Mbola tsy niova volo.

Any alavitra any manko
Iriko indrindra ialahy hanenina
Ô! faniriako anie ry Lanto
'Zay no tiako fa tsy hafenina.
MIARANTSOA ANICET
26 fev 2005
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana
1515 2
Mpakafy: Miarantsoa - tinendry
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147