Fahagagana (Miarantsoa Anicet)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FAHAGAGANA
Mba mahagaga ihany fa...
Teny rehetra teny
Misy olona mandeha,
Misy olona mitantana olona ohatra an' azy.
Misy olon- toa voasazy
Hisakambina ny tiany .

Mba mahagaga ihany fa
Izaho d' irery foana.
Dia...Mbola tsy afa- tsaona
Ny foko manoloana
Ny aloka tsy fantatro .

Dia mbola mahagaga
Ny mahita anao mitia...
...Mitia ' lay zazalahy
Natakalonao an' ahy .

Mahagaga izany !
Nefa ...Tsy tokony hahagaga.
Kanefa...Mba mahagaga ihany
Ny mahita anao
Midola sy milaika teo anilany
Mba mahagaga izany
Fa ianao , hono , hoe ka silany .

Mba mahagaga izany !
Fa tsy omeko tsiny
Na ianao na olona iny .

MIARANTSOA ANICET
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana
1263 1
Hevitra mandeha
andriary ( 20/04/2005 13:45)
Lalana nolalovana ny alam-pitiavana ry Anicet !Ady syt olon'ny fo ireny ka tsy mahagaga raha mivadika ho tonokalo!misaotra anao nanoratra!
johan ( 25/04/2005 06:57)
Tena za koa dia gaga namaky ilay izy! tsara kah, tsara fa tohizo foana
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097