Fararano (Miarantsoa Anicet)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FARARANO

Fo mitriatra ambony hazo!
Ny foko mena mba hotazo .
Fo atokotoko foana ,
Sao lahy simban' ny fotoana !

Ah !
Avy ny fo !
Manoram- po tokoa
Any anty ala any .
Ny rivotra eny izany
Manozona ny lohako .

Mihintsana izy ity
Fa manitra fitia .

Hielo ve aho ?
Fa miongotra an- tsampaho
Ireto fo efa matoy.
Hisarotro ve re roy ?
Mba marary koa ny aiko
Raha voaronjina ny saiko .

Lohataona angamba izao
Na fararano akory .
Izay rehetra nampahory
Indro vokatra avokoa .
Dia izao !... Manitry ny fo .

MIARANTSOANAO ANICET
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
1353 1
Mpakafy: Miarantsoa
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0657