FIONONANA (Miarantsoa Anicet)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fiononana a !
Mba torio fitiavana aho!
Mba lazao hoe : tiako ianao .
Hananika ny vohitra
Na tany tsy hay anarana .
Ho henik'hasmbarana .
De eny an-dalana eny ,
Ny lokanga e no tendreny...
Hioty voninkazo
Atao anaty vazo.
Hiran'olon-tsotra
Izay faly noho ianao .
Rebika aho injao!

Fiononana a !
Izaho torio fitiavana .
Ala maitso mavana ...
Lalovantsika roa ...
Voron-kely soa
Misioka moramora .
Liona tanora
Misangy an' itsy namany,
Lelafiny eo ny mamany.

O! malala a !
Tia anao aho e ?
Dieny mbola anio:
Ny fitiavanao torio.
Ataovy ren' ny sofiko ,
Na hitako mivantana .
Ny molotrao tohofiko .
Ekeko ianao ho rantsana.
MIARANTSOA ANICET
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana
1527 2
Mpakafy: Miarantsoa - fiaritiana
Hevitra mandeha
fiaritiana ( 17/06/2006 20:13)
hum!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014