Fitivana lehibe (Miarantsoa Anicet)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITIAVA LEHIBE

Fitivan- dehbe
Soratana LEHIBE.
FITIAVNA goavana ...
Tsy hita an' avanavana ...
Ny Fitiavan' ny Tsitoha
Dia ... Tsy manam- paharoa .
Mihavao isan' andro,
Mibaliaka toa masoandro,
Toy ny kintan- tsy hita isa
Lehibe tsy voavisa...

Ô! 'Lay Tompon' ny Fitiavana
' Lay tsy afaka manavana
'Lay Tia de tena Tia ,
Ka teny mamy ery
No entiny manamby...
'Lay Fitivana efa ampy
No ampiany isa - maraina
Ka velom- bolo ny aina .
Ny masoandro vao miposaka
Dia ... Indro fa atosany
Ny taratra ...Hazavana
Ho an' ny olona rehetra
Tsy mba nasiany fetra
Fa mahazo avokoa
Na ' reo 'zay nankatoa
Na 'reo naniratsira ....
Na ' reo zay nibolila
Na 'reo nijangajanga...
Na dia 'reo hoe vangavanga
Ka nampirafy Azy.
Hany mbola sazy
Nomeny anao aloha
Dia ... Ahitsio ny fo !
MIverena Aminy,
MIbebaha fa maminy
NY fahavelomanao .

Ô! Jehovah Tomponay !
Ry Fitiavana Lehibe.
Mba ampianaro re
Hifankatia zahay .
Dia toy ny anao ry Ray !
Fitiavana tena marina
fa tsy toy ny anay 'zay namboarina .


MIARANTSOA ANICET
--------
Rohy:
1276 2
Mpakafy: Arimalala - Miarantsoa
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142