Helo (Miarantsoa Anicet)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HELO
Avela aloha ny foko hijaly noho izao !
Avela aloha ny foko hifoko noho ianao !
Avela aloha ny foko hifoka ireo talaho !

Rahoviana aho vao ho faty ?
fa ... tena lava loatra ny fiainana eto an-tany.
Ny fiainana ?

Mihalava fa mihafohy !
Mitombo nefa mihena !

Fa.... tena lava loatra ny fiainana eto an- tany.
Kanefa ny antenaina
Dia ny any an-danitra any.

Avela aloha ny foko haratra noho izao
Avela aloha ny foko hikofokofoka ao
Avela aloha ny foko ho feno fery vao.

Rahoviana aho vao ho velona?
Fa .... tena ridralava ny fiainana eto izany .
Ny fahafatesana ?

Fivoahana ny zohy !
Fahasitranana e re roy !
Fa ... tena ridralava ny fiainana eto izany
Ka hany fanantena
Dia ny ho faty ihany!

Fa.... Tena lava loatra ny fiainana eto an- tany
Kanefa ange ny halavany dia...
Ohatra ohatra izany e !
MIARANTSOA ANICET
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1060 4
Mpakafy: Arimalala - Miarantsoa - sunny - henika
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0722