You are here: home > Vetso

Heniheny - Miarantsoa Anicet

Azo vakiana?

Manapaka tsinay !
Tsy azoko mihintsy
Izay tianao holazaina .
Mba ampindramo jiro
                   Hitsilovako fa maizina.
Ny "enieny " anie ...
Tsy mila izany aho e !
Heniheny ireny
Ka mamitaka aoka izany .
Longoa mitotobozaka
Ka  fandrika ihany .
Indrindra ho an' ny biby
'Zay very any an' ala .

Aza dia manahy .
Tsy handrava aho sanatria!

                   MIARANTSOA ANICET

Sokajy : Fiononana