You are here: home > Vetso

Ho tia ahy ianao rahampitso ? - Miarantsoa Anicet

Ho tia ahy ianao rahampitso ?
Hamela  ahy ianao rahampitso ?
Ny atoandro aho ...Hiantso anao ,
Hiangavy sy hitalao...
Hifona ihany koa ...
Handady tampon- doha ...
Hivalo marimarina ...
Hanodhalika ts' hiarina ....

Ho tia ahy ianao rahampitso ?
Hamela ny efa diso ?
Hanaiky hody aty ?
sa ... hanosika fitia ?
Hamalifaly anao ...
Ho setrin' ny talaho ...
Dia ...hampitsikitsiky
Fa taolana ny nify .

Ho faly ianao rahampitso ?
Hono ho' aho ra- piso ?
Ho tezitra ihany angamba
Ka dia hisinton- damba ?
'Zaho nge efa mifona e !
Ny lohako e hadona
Am' tratranao malefaka .
Izay aho vao hiresaka !

              MIARANTSOA ANICET

Sokajy : Hanina

Hevitra mandeha

nirina02 (22/02/2005 17:58:39)

tsy dia hitako izay tena tinao ho lazaina @ io fa izany hoe mety ihany aloha de mazoto fona manoratra an!

kiriah (04/03/2012 14:41:19)

nirina02 : sur ve ianao fa tena tsy hitanao izay tena tiany ho lazaina ?????? , tononkalo mazava be io ! . lol !

Hametraka hevitra

Midira aloha