You are here: home > Vetso

Jamba - Miarantsoa Anicet

Azo vakiana?

                           JAMBA
Tonga ihany !
Tonga ihany lala....
Tonga ihany lala ' lay volana...
Tonga ihany lala ' lay volana nandrasako....
'Lay volana nadrasako
Hatramin' ny fahazazako.

Haizim- pito sosona
Hatrizay no nitankosona ,
Haizina efa mainty
hatrizay no vita renty .

Tonga ihany lala ' lay volana nadrasako.
Izaho !
'Lay zatra haizina iny .
Izaho
'Zay zatra ny fahiny .
Dia ....
Tonga ihany lala
'lay volam- babangoala.
Dia
Tonga tampotampoka
'Lay volana efa ampoka.
Tonga sy nmiratra
Toa fasi- moron- tsiraka.
Namiratr' hazavana,
Namiratr' hafanana,
Dia....
Indro aho jamba indray
Tsy nahatanty ny ohatrta izay!

            MIARANTSOA ANICET

Sokajy : fiainana