You are here: home > Vetso

Kristy jesosy - Miarantsoa Anicet

Azo vakiana?

                       KRISTY JESOSY
Kristy Jesosy no velona ato anatiko .
Fantany avokoa izay fisedrana tantiko .
Raha marary aho ... Izay no sitrany .
Raha sitrana dia sitrany!

Kristy Jesosy no hany loha- lalako ,
Mpiaro sy Mpiahy : Lohan' ny laharako .
Ka ny asan' ny Devoly rakofako am' ràny ,
Tsy manan- kery izany !

Kristy Jesosy no mitondra ny fiainako .
Mitondra ireo olako : fijaliana , fitarainako .
Ka ny androko isan' andro tsy misy fanahiana :
Miasa dia ...mangina !

Kristy Jesosy no Tompo sy Mpamonjy.
Mpiandry tsara....... sahy nilonjo
Sy nizaka samy irery ny hazo fijaliana:
Izaho ? Ondry novidiana .
                  MIARANTSOA ANICET

Sokajy : Fiderana, Fiderana

Hametraka hevitra

Midira aloha