You are here: home > Vetso

Lainga ireny ... fa mody hoe - Miarantsoa Anicet

Azo vakiana?

              LAINGA IRENY ... FA MODY HOE ...
Lainga ireny
     Ny tiako efa lasana
     Tsy manana nandrasana
     Dia mody miala sirika
     Mody hoe mitsiritsirika

Lainga ireny
    Mody hoe mba tsy mijery
    F' angamba sarona ny fery
    Kanefa dia misodika
    Dify vao mitodika.

Lainga ireny
   Mody hoe mba manadino
   Kanefa iainao dia mino
   Fa ny nofiko isan' andro ?
   Mirotsaka toa ando .

Lainga ireny
   Mody hoe mba mafy loha
   Kanefa ny ao am-po
   Vao domina dia roboka,
   Milavo sy midoboka .

Lainga ireny.
   Avelao aho mba hiainga
   Ho any an- tanin-dainga.
   Te mba hanana hambom-po
   Ka mifon-tokoa tokoa.
                      MIARANTSOA ANICET

Sokajy : Fitiavana