You are here: home > Vetso

Lanto - Miarantsoa Anicet

Azo vakiana?

                          LANTO
Nolavinao satria :
Tompo samy hafa ny Tompontsika roa.
Nilaozanao 'lay tia.
Hafa angamba ny ahy . Hafa ho anao tokoa.

Nandao ianao satria :
Mafy laotra angamba ny ziogako aminao.
Dia roso ianao nadia ;
Dia rendrika niharana 'zay namana vaovao.

Tsy zakanao intsony ny fombam-pivavahako.
Tsy tantinao rahateo
Ny fitsapàna mafy am'lalana arahiko.
Nalehonao naseho.

Tsofin-drano ianao hahita toa anao.
fa zioga samy hafa
No am- bozontsika roa ;midrdroka e injao:
Tantara ho voafafa.

                         MIARANTSOA ANICET
                             Sabata 08 Jan 05

Sokajy : FITIAVANA, Vavaka

Hametraka hevitra

Midira aloha