You are here: home > Vetso

Mahantra - Miarantsoa Anicet

Azo vakiana?

                MAHANTRA

Satria ve hoe sarety no fiara entinay
Dia tonga ianao hively sy hikapoka kibay?
Satria ve jiogan'omby no hany mba môtera
Dia tonga ianao hamotika, handavo sy hanjera?

Satria ve ratsiratsy raha miolotra ny anao
Dia tonga ianao hanilika sy hanala tsotra izao ?
Satria ve 'lay fandeha ... somary miadankadana,
Dia tonga ianao nanitsy , nisakatsakan- dalana?

Fa taiza ho aiza teto no nipoiran' ny harena ?
Dia iza tamintsika no nihinana ny hena ?
Dia iza tamintsika no nipatrapatra- dinitra?
Dia iza tamintsika no nanompo tsy mba vinitra ?

Fa , hono , kosa Raiko : mba zaza ahoana ireny...
Vao menamena vava sy tsy mianatra miteny
Dia vesarana harena ny tratra sy lamosiny ?
Ny sisa izay tsy zakany? Fonosiny ! Fonosiny !

Fa , hono, kosa Raiko : mba zaza  ahoana indray...
Ireo vao mena vava sy tsy mianatra mandray
Dia vesaram-panompoana sy trosa miavosa ?
Mba ahoana  ireny Raiko ? Dia mba ahoana kosa?

Fa misy ho'aho ny sasany,  tonga teto niboridana.
Kanefa dia tsy mino fa raha handeha ka dia hiridana
Tsy hahavimbina fanjaitra. Mainka koa hihajahanja.
Na toy inona halehibe sy havesatry ny lanja.
                      MIARANTSOA ANICET


Sokajy : fiainana

Hevitra mandeha

boubounezy (31/08/2005 21:18:34)

tsara!!! fa mila avoka boky ra mbola tsy natao; itako efa betsaka iany mantsy ny tononkalo nataonao.
misôtr'é!
hoy boubounezy

Hametraka hevitra

Midira aloha