Malala (Miarantsoa Anicet)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MALALA

Malala...
Teny izany !
Tsy hita hopolopolorina
Izay hevitra nombàny.
Toa teny maromaro no natambatra ho teny.
Malala...
Toa nofy izany
Nefa nofo.
Toa nofo ihany
Nefa nofy.
Toa saina
Toa tsy aina
Toa gasy , toa vazaha
Nefa gasy tahaka ahy .
Toa haiko toa tsy haiko
Nefa aiko nolalaiko .
Toa anjely nefa olona
Sady rivo-mitambolona.

Toa izany .....Fa ts'izany
Fa toa tamberintany.
MISITERY.

MIARANTSOA ANICET
--------
Rohy:
997 4
Hevitra mandeha
sonwin ( 05/12/2004 17:04)
Misitery marina ....ny fahaizanao manoratra koa ranga tena misitery mihitsy a, haingam-panahy zany an.
vetsoko ( 07/12/2004 17:28)
maneho ny zava-miseho iainanao ny endriky ny asa-soratrao.
mazotoa @ kanto ry se a!mahafinaritra
racoplo ( 05/02/2005 09:24)
tena efa voadona ngambany io anicet io
Miarantsoa ( 05/02/2005 16:50)
Racoplo ô !
Tiako ny ahy izany izany voadona izany raha ao no ahitako aingam- panahy tapitr' ohatra !
Marina loatra ny volazan' i Musset!
Merci !
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0386