MANANTENA INONA (Miarantsoa Anicet)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza manina ny olon-tsy manina.
Aza miantso izay olon-tsy vanona.
Manantena an' izay tsy ho tia.
Maka saina ka indro mahia.

Hanantena ny inony anefa...?
Mbola hiandry va re fa hilefa
Sa hitsoaka azy ny andefi-mandry?
Dia hiandry eo ianao ka hiandry.

Te hitsimpona poti-tsakafo...
Manantena ho voasafosafo...
Mba maniry ny ho ampirafesina...
Haka kely fa sao harafesina...

Aza manina ny olon-tsy manina.
Ndrao ho fanina sy ho valalanina.
Manantena an'izay tsy ho hita...
Maka saina an'izay tsy ho vita.

MIARANTSOA ANICET
--------
Rohy:
1454 1
Mpakafy: Miarantsoa
Hevitra mandeha
Zozoro ( 09/01/2009 18:26)
Tsara an !
kiriah ( 25/02/2011 11:51)
talenta !
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149