Miandry anao i kiki (Miarantsoa Anicet)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ' zaho mihintsy ianao
Dia ... Mody tsotra izao.
Rahampitso indray miverina
Na ... Am' taona mitsingerina .

Miala tsiny indrindra
Fa raha ohatra ary hoe
Ato ihany izaho
Dia ... Miala tsiny ho' aho
Fa feno ny fotoanako.
Efa nofoanako
Ny segondra sy minitra
Ahafahako mipitra.

Raha misy ny fotoana
Tsy ahafahanao mimaona
Ka tsy maintsy hankaty
Dia ... Diniho aloha ny dia .
Tsy resaka mpamorina ,
Fa teny tsy misorona
Izao lazaiko izao:

Raha mbola lavitra ianao
Dia miverina no tsara
Efa vita ny tantara.
Ny olona marenina ...Tsy manam- po intsony,
Tsy afaka hanenina
Amin' ny lasa toy itony.

Lava loatra izany :
Tsy hoe mananihany
Fa fadio tena fadio
Ny mimpody aty anio.
Fadio koa toy izany
Ny any aoriana any.

Izao re raha adikako:
Tongava ianao raha manina
Fa miandry anao ny alikako .
Tandremo sao dia fanina.

MIARANTSOA ANICET
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po
1354 3
Hevitra mandeha
nikopol ( 07/12/2004 18:28)
Miarantsoa
Nahita lalam-baovao ise ary mankafy za!
misaotra
nikopol
Miarantsoa ( 08/12/2004 16:40)
Nikopol aoka ho ny aingan' ny fanahy rehetra no tena hiainga eo am- panoratana !
Mankasitraka e !
Miarantsoa
hasiniony ( 02/07/2005 11:42)
Azonao atao ny minia tsy mahalala
Na doria na ho minitra?
Ilay nofinofy adala
Nifandonan'ny fo-tsika!
Niantsoanao ahy hoe "Malala"
Hay angano honohono
Azo avadika ho hala

Azonao azera ny rindrimben'ny fitiavako
Ivimbino latsalatsa tsy misy hoe nahoana?
Dia tsangano saina fotsy izay rehetra sahan'adiko
Mba ahafahako misaona!
"Fa ny jamba sy marenina nanidy lalina ny fony
Dia iza indray no hitantana azy! ...
amin'ny lalana noferany tsy halehako intsony?"

Azonao atao ny mandoro diam-penina
Dia soloy ireo hirantsika?
Sy ireo tsiambaratelo izay tsy azonao afenina
Izay efa masaka ato anatiko, saingy mbola tsy voadika!
Fa hiezaka aho hanadino ny disadisa toy itony
Mba hisaina izay ho anjarako
Saingy mbola ahiako mafy: IANAO sy ireo Alika ny hiverina amin'ny loany?
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146