Neny (Miarantsoa Anicet)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Neny ....
Fanaka malemy fa mafy herin- tsaina.
Neny ...
' Lay hany Reny nandimby Ray tsy satry .
E! Ny Reniko
Misahana ny etsy
Sy mamita ny eroa.
Mpitoto nahafotsy
Sy mpahandro nahamasaka.

Izany fahoriany
Mahita ahy ilay tiany
Mitanondrika sy ory
Na mavozon- tsorisory.
Fa ....Neniko iny manko
Mafy herin- tsaina fa fanaka malemy fo ....

Nitari- dalana ahy, raha maizina ny andro,
Nanoro dia anay tambanin' ny masoandro ,

Eny e ry Neny
Ry fanaka matanjaka
Nampianatra ahy halemy.
Nampianatra ahy hitrandraka
Mamy anaty memy.

Fa taminao ry Neny
No nahaizako ombieny
Fa 'zay mahay mihafy
No hany tena mafy .
MIARANTSOA ANICET
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
1305 2
Mpakafy: nikopol - sakabe
Hevitra mandeha
nikopol ( 27/05/2005 09:08)
Manja B ! nomeko isa dimy !
apollo ( 27/05/2005 10:24)
Mahery e! 5/5
pissoa ( 13/11/2005 15:46)
tsara be -
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0207