Ny alina (Miarantsoa Anicet)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY ALINA
Ny alina ....
Raha teto manko ianao ...niondana ny tratrako!
Raha teto manko ianao ... niantso ny anarako!
Raha nisy nahatsapa manko ny volana tsinapako !
Raha teto ianao nanopy ny kintana ifaharako.

Ny alina....
Angamba kosa iky ho sitrana ny aretiko
Angamba kosa iky ho sarona ny fery
Angamba mety ho lasa ny sentsento nentiko
Angamba kosa iky raha toa aho tsy irery.

Ny alina...
Any ambadibadika any , misy haizina mikitroka
Any lavidavitra any, misy tselatra mikotroka
any akaikikaikiko any misy hira feo miritsoka.
Any anaty nofiko any misy antso anao makotroka.

Ny alina....
Iza no nahita 'lay volana jineriko ?
Iza no nahita 'lay kintana tsinapako ?
Iza lahy no afaka hanasitrana ny feriko ?
Iza no mahita .... ody ho an'ny ratrako ?

Ny alina....
Tsy hisy angamba izany fa na hisy aza
Tsy hisy angamba ihany raha eto anatrehako ,
Tsy hisy fanafody voavolan'ny kalaza
Fa na hisy aza ireny ? Hariako sy harehitro.
A! Ry alina...
MIARANTSOA ANICET
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana
1530 3
Mpakafy: Miarantsoa - sunny - henika
Hevitra mandeha
Miarantsoa ( 18/11/2004 16:29)
Raha sendra mamaky ity tonokalo ity i Lanto dia mba manorata azafady !
zakilinina ( 18/11/2004 22:41)
Mety ny gadona sy ny rima. Tohizo ary mazotoa !
nyeja ( 21/11/2004 10:53)
alina...,
mahalasa embona lalina dia lalina , ankafiziko manokana ny tononkalonao
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159