You are here: home > Vetso

Ny baiboly - Miarantsoa Anicet

Azo vakiana?

Ny Baiboly no fiondanako !
Hoy izy hoe : ry zanako ,
Mba mahereza loatra
Na fiainana mandroatra,
Na ady mahamay,
Fitsapàna hafana vay...
Mahereza ihany fa
Lalànany eny izany.

De lohalika no miasa .
Mitalaho mba ho voasasa.
Miankohoka mifona...
Aminao no famindroana.
Nahoana ary aho no kivy?
Efa reko izao ny Didy,
Reko koa ny fanekena ...
Fanavotam- pamonjena...

Nahoana ny tolefika
No indro mahafefika ?

                  MIARANTSOA ANICET

Sokajy : Vavaka

Hametraka hevitra

Midira aloha