You are here: home > Vetso

ROAM-POLO - Miarantsoa Anicet

Azo vakiana?

Roam-polo taona lany
Niandrasako ny androany.
Hanandranaa aho hitondra
Ny foko feno onja.
Aza omena tsiny
Raha toa tsy lafatra iny .

'lay zazavavy keliko
Na mamy toa tanteliko :
De fetinao sahady
Ny ampitson' ny Alahady!
'lay Fiononako any
Mifaly tsy tomany .

'lay endrika tsy hitako:
Akaiky ianao anio .
Ry nofy ery am- pitako
Ny aveloko e tsidiho.
te hanindry mandry
Ity tsy manan- tsandry .
         MIARANTSOA ANICET

Sokajy : Fety

Hevitra mandeha

fiaritiana (17/06/2006 20:15:10)

Zava dehibe tokoa ny vitanao!!Atra hamaly soa anao!
bizz mamy be

fiaritiana (17/06/2006 20:15:19)

Zava dehibe tokoa ny vitanao!!Atra hamaly soa anao!
bizz mamy be

Raletsy (22/05/2007 14:42:02)

nyhoe:ROAM-POLO
Raha "20" no tianao
hosoratana dia tsy
misy "-" !