You are here: home > Vetso

TE HIBANJINA NY LANITRA - Miarantsoa Anicet

Azo vakiana?

Te hibanjina ny lanitra
Fijeriko fahiny aho.
Ilay lanitra manga
Manopy ny hazavany.
Eny alavitra eny
No misy rahom-potsy
Milaza fa ho avy
Ny orana rahariva.

Setroka maloto no hitako ankehitriny.
Orana madity, fotaka mandrevo.
Loto mivangongo,
Ady mahabongo.
Hanoanana eran-tany...
Aiza intsony ny hanihany?
Aiza koa ny tsikitsiky?
Rediredy sisa iky.
Fatin'olona isan'andro,
Tsy mipoitra ny masoandro.

Te hibanjina ny lanitra
Fijeriko fahiny aho.

           MIARANTSOA ANICET

Sokajy : Tanindrazana