Tsisy fisaorana (Miarantsoa Anicet)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSISY FISAORANANolazainao fa naratra ...
Hoe : naratra angaha ny foko
Fa
VoaroNjinao ?
Tsia de tsia ry aiko !
Diso manko ianao .
Diso sy midraiko
amin' ny hevi - dravinao .
Diso tSy miraika
amin' ny hevi- dratsinao.
"MIsaotra anao " no teny
Anaovako veloma .
"Misaotra anao " ombieny
Ry vorona zana - domohina .
"MIsaotra anao" tokoa ,
MIsaotra sombin' aina .
Misaotra eram- po
Dia .. MIsaotra ern- tsaina.
Tsy vazivazy akory
No ilazako izany .
Tsy vazivazy akory
Fa ny ato an- tsaiko irery ihany .
Irery ihany angamba.
Eny ...."Misaotra anao" no teny
Fitsofan- drano anao .
"Misaotra anao " nandavo
Fa raha tsy lavo angamba
Tsy nisy fiharenana,
tsy nisy fihoirana,
Eny ... "MIsaotra anao" nandavo
Fa raha tsy lavo angamba
Tsisy lamba hosasana ,
Tsisy lamba hososohana
noho ny faharovitany iky .
"MIsaotra anao " no teny
Anaovako veloma .
"MIsaotra anao " ombieny
Ry vorona zana- domohina.
MIARANTSOA ANICET
mbola atolotra an' i lanto
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana
Hevitra mandeha
felandefona
(
03/07/2009 08:33)
tena namotika anao io olona io raha tena fisaorana avy any am-po tokoa dia tena mahafinaritra...
endrika01
(
10/08/2009 04:09)
Angamba fisarahana tsy nisy arakaraka ilay izy e,mety nisy ihany ny soa nifanaovana ka sarotra,ny tsy haneho fisaorana.