You are here: home > Vetso

nankaiza ny tanteliko teto - mimi12

Azo vakiana?

nankaiza ny tanteliko teto
mba hitanareo ve izy ry reto
toa matsatso ny variko anio
fa tsy hitako ilay voanio

nankaiza ny tanteliko teto
malahelo ny foko ka ento
raha hitanareo izy dia teneno
hoe miandry azy ilay fokely feno

nankaiza akia tanteliko teo
toa hitako omaly fa anio mba jereo
sao narary, sao nandamaka
no toa tsy hita tsy nisy nihanaka


raha marary izy ento aty tsaboiko
raha malahelo izy, avy safoiko
raha toa ny fony torovana
salorako lambam-pitiavana.



mimi12 Aout 2010

Sokajy : Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : mimi12

Nampiditra : mimi12
Daty : 04/11/2010
Mpamangy : 1110
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

inona sisa?
any ho any
tia ahy ve ianao?
satria
sourire
impossible mais...