inona sisa? (mimi12)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
rohim-pihavanana tandrovina hatrany
ho soritry ny fitiavana ao am-po sy lovan'ny tany
na miharefo sy mihena isan'andro aza izany
dia ny fanantenàna sy finoana no miaro azy ho mamy

ny fitia voadradradradra ankehitriny lasa angano
fa na iray fonosana aza mody gaigy sy mimamo
ambadik'Imanareza sisa ilay nandeha toa rano
nivarina any amin'ny foana ny aina ifotoran'ilay trano


fitia vita fototra nomena am-po madio
izay sisa ankehitrio voavolavolan'ny tadio
potiny ihany sisa, mipetraka eny an-dabilio
fitia vita sary, manenjika ny riorio

dia lasa izy iny, hadinoiny ny niaviany
fa hay ny ifotorany dia ilay lova notsiniaviny
nataony ho amboaram-piainany ny taratry ny ankehitriny
lasa feno pentin'ny hoza-piainana nodiaviny

ilay taloha eo ihany fa notakomana vaovao
izay tsy iza fa sary nohamavoina ny an'izay tao ambany tao
dia notakomana ihany na dia ny triatra sy lao
f'ilay fitia tao foana, niandry azy,niandry anao sy isika rehetra izao
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - fiainana - Fitiavana
1132 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : mimi12
Nampiditra : mimi12
Daty : 24/07/2012 07:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148