tia ahy ve ianao? (mimi12)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay mody salotra tsiky sy mody ranomaso
harin-torin-tafatafa @ tsy rony tsy ventiny
haritry ny mamy sy ny ngidin'ny maso
tia ve ianao, ... ,ambarao hoe ho setriny

tsy reko midoboka ny fonao ho ahy
tsy reko ilay feo mibadabada fiatiavana
raiso hoe ny apinga, ataovy re ho sahy
tia ahy ve ianao,..., torio re rahavana

ilay reko midodododo mba hampitsiky ahy
ilay tsy mahaita tory fa manambitamby ahy
ilay sahirana ery mba hampihomehy ahy
tia ahy ve ianao, nahoana no tsy sahy

ilay mampiseho ahy ny lokon'ny fitiavana
imasoko toy ny loko tsy hay jerena
izao izay malàlan'ny fony, tsy ahalalàny torovana
tia ahy ve ianao, toky iray ihany omena

ilay tononkira iray namelan-kafatra
ilay marina naborakao ho ahy samirery
naharary fa tazomina ampo kely mihaotra
tia ahy ve ianao, aza atao fangala-pery

dia ataonao mamisavisa ao anaty aizina
ilay fonao mody tia sa... tsy tia ;tena tia
raozy mani-tsika roa, tandremo sao hanapoizina
tia ahy ve ianao, ambarao ilay fitia
--------
Rohy:
Sokajy : tantara - vazivazy - Ahiahy - Fitiavana
2438 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : mimi12
Nampiditra : mimi12
Daty : 28/12/2010 15:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103