any ho any (mimi12)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
maro ny toerana eto an-tany
ahatsiarovana ny akany
misy ny paradisa an-tany
ao ireo ambany tany

any ho any, any misy tsiky
any ho any koa, any misy tomany
any aho any, ny ranomasony no sakafony
any ho any, ny tany tsy mba fantan-tongony

koa na any, na aty dia toy izany ihany
ao ny miady isa-minitra, ao ny miadana aok'izany
ny miandrandra an-drafahafatesana,ny miady amin'izany
fa na any, na aty, ankehitrio,izay ny fiainana eto an-tany
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
1093 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : mimi12
Nampiditra : mimi12
Daty : 04/07/2012 11:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142