satria (mimi12)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tiako izy tsy asiako satria
tiako izy, ary saika "doria"
tiako izy fa saingy sanatria
tiako izy nefa tsy miantso ahy avia

dia satria tiako dia tiako fotsiny
dia satria tsiky dia tsiky fotsiny
fa satria zary nofiny
satria tsy misy fotony

satria sa nahoana
fo babo tsy hay tohaina
satria toa maona
satria kely noana
satria mangasihasy
satria taratasy
satria tsy hay zaraina
satria tsy misy aina

satria... satria fotsiny

oct 2010 mimi12
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1315 0
Hevitra mandeha
mimi12 ( 12/09/2011 11:01)
koa satria...
satria ho anao izao rehetra izao
satria ho very maina fa natao ho kilalao
satria hariana fotsiny izay ahy sy anao
dia aleo hatreo ihany hivalona amin'izao

satria feon'drivotra tsy ary ary ts ho ary
satria tsy misy sy lalao zary sary
satria tomany efa voafaokan'ny nahary
dia aleo ho faona sy ho isan'ny tantara

satria....
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : mimi12
Nampiditra : mimi12
Daty : 13/11/2010 18:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154