INTY AHO - Mionitra
Azo vakiana?
Raiso aho Tompo o!
Fa vonona ho anao
Vonona aho ny hanompo
Inty aho hanjakao
Leo ny hetraketraky ny tany
ka te hiara-dia aminao any an-danitra any
Inty ny amiko omeko anao
Raiso fa natokako ho anao
Aza avelanao irery
Ity zanakao nania
Fa matsiaro tena irery
Raha toa ianao ka minia
Raiso ny fitarainako
Fa mafy ny ady ety
Inty aho re ry Raiko
Vonona ny hiara-dia
Hanoka-tena ho anao
Ka hanadino ireo rendrarendra
Sy ny fiainan'izao tontolo izao
Manaiky aho ny ho tantananao
Sokajy :
fiainana
Mombamomba
Mpanoratra : Mionitra

Nampiditra : Mionitra
Daty : 14/04/2010
Mpamangy : 1401
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Vonjeo izahayRESY
FITIAVAKO IANAO
FAHATSIAROVANA SISA
TSY NAMPOIZIKO
TIAKO IANAO