TIAKO IANAO - Mionitra
Azo vakiana?
Ny topimasonao
Nanintona ahy
Ka nambabo ny fanahy
Dia lasa tiako ianao
Lay tsikinao indray
Nanjary nanambatra ho iray
Lay fontsika roa
Niova ho tia tokoa
Tena tiako ianao
Lay fitia ato am-po
Tsy mba ho lo
Isika ho iray fa tsy ho roa
Dia izay no vetsovetsom-poko
Eny izaho tsy itoloko
Ary mbola inoako
Fa ilay fitia tsy hiova loko
Mionitra
24-02-10
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : Mionitra

Nampiditra : Mionitra
Daty : 24/02/2010
Mpamangy : 1370
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
INTY AHOVonjeo izahay
RESY
FITIAVAKO IANAO
FAHATSIAROVANA SISA
TSY NAMPOIZIKO