TSY NAMPOIZIKO - Mionitra
Azo vakiana?
Vao nitopy ny masoko
Ianao no indro tazako
Teny an-tratran'olon-kafa
Namihina azy tsy nihafahafa
Izay fanaonao amiko
No ataonao azy koa
Ireo teny mamiko
Toa zary ataonao kitoatoa
Gaga ihany aho
Fa iza kay ianao
No dia nanolorako ny fitiavako
Raha toa ka hampanjombona ny tavako?
Tsy nampoiziko ny nahitanao
Nanolo ahy ho vaovao
Satria ireo toky izay nomenao
Toa mandifotra ny ao anatiko ao
Mionitra
18-01-10
Sokajy :
Alahelo
Mombamomba
Mpanoratra : Mionitra

Nampiditra : Mionitra
Daty : 25/02/2010
Mpamangy : 1065
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
INTY AHOVonjeo izahay
RESY
FITIAVAKO IANAO
FAHATSIAROVANA SISA
TIAKO IANAO