FITIAVAKO IANAO - Mionitra
Azo vakiana?
Tsapako ankehitriny
Fa lalim-paka ilay fitia
Na dia maisy aza ny tsiny
Ny fitiavako anao tsy hangia
Fitia latsaka anaty ny ahy
Ka n'inon'inona mitranga
Lay fitiavako tsy ho banga
Aza manana ahiahy
Tena tiako ianao malalako
Ho mandrakizay izany
Koa raiso re ny tanako
F'aza avela hirotsaka ny tomany
Fitiavana madio no misy anatiko ao
Fitia mandra-maty fa tsy ho kilalao
Vonona aho ny hiara-dia aminao
Manaiky aho satria:FITIAVAKO IANAO
Mionitra
02-03-10
Mombamomba
Mpanoratra : Mionitra

Nampiditra : Mionitra
Daty : 02/03/2010
Mpamangy : 1692
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
INTY AHOVonjeo izahay
RESY
FAHATSIAROVANA SISA
TSY NAMPOIZIKO
TIAKO IANAO