You are here: home > Vetso

SAINGY EFA LASANAO...! - Myh'Andry

Niezaka aho namadika pejy teo aloha,
Nikiry ny hanadino, mba nanamafy fo
Hoe tsy hahatsiaro fa hamadika ny lasa
Saingy, mainka indray namongatra ny ratra

Niezaka aho nikipy mba hanavao tantara,
Nanova lalan-kafa, nitady izay ho anjara
Saingy, fotoana very maina, herim-po nariana,
Fa ny anilanao hatrany no toa tiako hitodiana.

Ny nofy sasak'aliko, ireo vetsoko rehetra,
Tsy nisy niantsapazana fa any no miantefa.
Ireo teny avy eo imolotro, faly aho na tomany,
Dia mivetso mangingina, mitady anao hatrany.

Irony tsikinao mambabo toa lavitry ny ankaso
Manangoly fo sy saina, manintona ny maso.
Oh, ny amiko rehetra no efa indro lasanao
Ka jamba tsy mahita, babonao ny anatiko ao.



Myh'Andry
26 Dec. 2021