FAHATSIAROVANA (naritsimba)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Taona Iray sy roa arivo
Nahitako ny endrikao
Fitafy tsotra, miramirana
Fotsifotsy fihodirana,
No nahasarika ahy hijery
Tamin’ny maso, tsy miteny

Ary lasa teo ny ventsoko
Nidobodoboka ny foko
Hitia mangina, ao anaty
Ilay fitia tsy mety maty
Sao mantsy, ka hatairana
Vetivety dia hifarana

Nahita izato volo lava
Ny hadiniky ny hodi-tava
Ny tsanganana amin’izany
Nahatonga ahy nanontany
Tamin’olon-kafa anefa
Sao fitia diso fiantefa

……………………………

Taona 2003

Tafara-dalana isika
Hianatsimo no anton-dia
Hafaliana tsy omby tratra
Tao anaty no nanjaka
Hipetraka eo anilanao
Hitafatafa izaho sy ianao

Tsy voalazako akory
Ilay fitia … asa ! natory
Variana loatra aho nijery
Ary koa tsy sahy niteny
Nandinika ny toetranao
Manahy ny ilaozanao

Izato ianao raha miteny
Mambabo fo, toy ny Reny
Ao an-tsaiko, tsy adino
Ary izaho toa tsy nino
Niara-natory izaho sy ianao
Niresaka toa nilalao

Nandalo foana teny andro
Nitoetra ho ahy ny tsiaro
Rahoviana no ho volana
Ka ahasahiako mba hivolana
‘Lay teny tiako ho lazaina
Hatramin’izay ry nolalaina

Lasa foana re ny saiko
Raha mandinika ny amiko
Ho sahy ve ny hanambara
Amin’ny feo, miambakavaka
Ny hatrizay, hatramin’izao
Dia ny fitiavako anao

NARITSIMBA
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1584 0
Hevitra mandeha
Fiffi ( 26/10/2006 05:51)
Hay ianao ry Naritsimba manan-talenta be tahak'izao an! Tohizo fa tena tsara an! Bravoooo
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : naritsimba
Nampiditra : naritsimba
Daty : 26/10/2006 05:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139