HELOKO VE ? - naritsimba
Azo vakiana?
Heloko ve ny nitia ?
Heloko ve sanatria ?
Olona iray tena tiako
Raikitra anatin’ny foko
Heloko ve ny nitia ?
Heloko ve sanatria ?
Sanatria tsy handalo ihany
Tiako ho ahy irery hatrany
Heloko ve ny nitia ?
Heloko ve sanatria ?
Matoa aho nitia anao
Vonona tsy hilalao
Heloko ve ny nitia ?
Heloko ve sanatria ?
Hiezaka ny hahatsiaro
‘Lay tokana anatin’ny maro
Heloko ve ny nitia ?
Heloko ve sanatria ?
Raha toa ianao ka lasa
Eny an-tanan’olon-kafa ?
Amiko, tsy heloka izany
Raha ety ambonin’ny tany
Olon-tiana na koa fahavalo
Tsy mitoetra fa samy mandalo.
NARITSIMBA
27 Jolay 2006
Sokajy :
Fitiavana
Hevitra mandeha
jogla (09/10/2006 08:13:21)
Mombamomba
Mpanoratra : naritsimba
Nampiditra : naritsimbaDaty : 06/10/2006
Mpamangy : 1095
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
????????FETY
!!!!!
VELOMA...R'ILAY NOTIAVIKO
AFAKA
SAHADY...!
FITARAINANA
HO AZY
NY LALAKO
FAHATSIAROVANA