NISERANA IHANY (naritsimba)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsapako ankehitriny
Fa hiserana ihany
Iny fitiavako iny,
Raha mbola eto an-tany

Toy ny rivotra nitsoka
Nahangoly ny aty fo,
Sento no nipololotra
Ka atao ahoana moa?

Hionona aho, izay no mety
Ny hitomany sanatria
Fa nandalo vetivety
Fitiavana tsy ho doria

NARITSIMBA
Septambra 2006
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1111 0
Hevitra mandeha
chipie1 ( 04/10/2006 11:16)
tsara lé tononkalo ,otrany tsara anefa lé mandalo miserana fa tsy haka toerana lol
naritsimba ( 05/10/2006 08:17)
tsy ilay maka toerana ve no tsara ry chipie1
tizia ( 05/10/2006 16:02)
tena tsara be fa tohizo e!
chipie1 ( 10/10/2006 19:44)
naritsimba , ka indraindray nge efa tafaraka amilay olona ianao ve manao hoe "aleoko miserana fa tsy lasa "
naritsimba ( 11/10/2006 10:20)
chipie1: raha azo atao ny mijanona dia izay no tena tsara, mampalahelo sady mampitomany ange ilay miaraka vety² dia misaraka e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : naritsimba
Nampiditra : naritsimba
Daty : 03/10/2006 05:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0163