RAHA TOA...? (naritsimba)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Angamba...!

Toa tsy ho haiko, ny hanadino
Ilay fiarahantsika, roa
Raha ny saiko, toa tsy hino
Raha toa hisaraka tokoa

Mafy koa raha tena mafy
Rehefa tonga ‘lay fotoana
Andeha ianao hanambady
Ny eo anilako, ho foana

Tsiahy sisa, ho tadidiana
Ireo lalana nizorantsika
Ny tiako…izaho aza kiviana
Raha toa hisaraka isika

Eny, tena tiako ianao
Enga anie ka tsy hijaly
Izato tokantrano vao
Hiadana, izaho ho faly

Ho lasa ianao, any ho any
Lasan’olon-kafa anefa
Ny faniriako, tsy hitomany
Izaho no diso fiantefa

Oroka sy teny mamy
Nifanaovantsika roa
Tsiky sy ny tambitamby
Nofy ireny, foana koa

Ireo fiarahana mihira
Sy ireo karazan-dihy
Ny maraina, sy ny hariva
Satry foana hiara-dia

Tiako ny eo anilanao
Tositosy, sangisangy
Safosafo, izay fanao
Vita, ary nampamangy

Raha ny tena faniriako
Hitoetra eo anilanao
Ianao no tena tiako
Raha toa ka sitrakao.

Ho tanteraka ary ve?
Asa anefa, fa tsy haiko
Ny fitiavako an’ise
Amin’ny foko sy ny saiko.

……………………..?


JOLAY 2006
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana
1377 0
Hevitra mandeha
Malalason ( 11/09/2006 10:32)
ndryy mampisento hmmm! tsara aloha rehefa tsy nisy ady² teo ampisarahana e! maharezafa ny anjara sy midify na izany aza manorata foana fa aza sakanana ny aingam-panahy e! mazotoa
naritsimba ( 11/09/2006 11:55)
malalason ah! tsy hay izay atsy ho atsy fa mbola fanontaniana ange io hoe : RAHA TOA ...?
tizia ( 05/10/2006 16:04)
anjara izany e!mampientanentanany fo tokoa
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : naritsimba
Nampiditra : naritsimba
Daty : 11/09/2006 07:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0128