SAMBATRA (naritsimba)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sambatra aho nitia anao
Tamin’ny foko manontolo
Nefa toa tsy tsapanao
Ka manamaizina tontolo

Ilay fitiavana ato anaty
Tsy sanatria kisendrasendra
Fa fitia tsy mety maty
Sady tsy fitiavan-tena

Any andro, any volana
Hahatsiaro ahy ianao
Enga anie tsy hisy olana
Ny amiko sy ny aminao.

NARITSIMBA
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1172 0
Hevitra mandeha
ledada ( 21/11/2006 11:03)
Ary toa tsy hita miresaka mivantana @ karajia intsony ise? fa nahoana? tena mahatsiaro mangingina b izahay ts eo ise!
naritsimba ( 21/11/2006 12:05)
eo ihany ledada an!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : naritsimba
Nampiditra : naritsimba
Daty : 21/11/2006 06:13
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098