Fa iza nga ianao (Nat'urel)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa iza nga ianao no mambabo izany fokoFa nahoana koa no nanesoranao ny tolokoko
Fa ity akaso tsy afako fa misaringotra
Nolalovanao ny masoko,ny tongotro avy no nifamingotra
Niangavy anao aho hoe:andao mba hiara-droa
Dia iny ianao fa nanaiky:"andao tokoa"
Dia nanomboka adisoko ilay nandao ahy tamin izany
Satria ankehitriny efa voafafanao ilay tomany
Ka ny lalana nizorako,na dia antsana aza
Dia hoy ianao:"hizory moramora fa tsy ho ela io dia hisava"
Ka ny foko no anao zay hiaraka hitempo
Fa isika roa dia iray manomboka eto
Mikalo F'tia Nat'urel
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Mpakafy:
prosper15