HIFANKATIA IZAHO SY IANAO (Nat'urel)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hifankatia izaho sy ianao
Ka izaho no ndeha hatao
Ho sasako re ny lambanao
Ho pasohako raha azo atao
Dia aza avela handeha irery
Hafatory aho sao dia very
Dia tano aho ho anao
Fa hamikitra aho raha azo atao
Dia ity ny vavako fahano
Ity ny tanako tantano
Satria ianao no mba raoziko
Ny takolakao no mba lalaoviko
Ny sandriko no ho lafihana
Raha mangatsiaka mifamihina
Raha misy aza ireo ho rafy
Tsy manino fa izaho hiafy
Nefa isika hifampatoky
Ka na tsy mikaly aza dia ho voky.


Mikalo F'tia Nat'urel
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2018 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nat'urel
Nampiditra : Mikalofitia
Daty : 17/07/2015 08:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136