LAVITRA AHY (Nat'urel)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny alaeloko mikiky fa lavi-tiana
Ny molony mitsiky satria izy tsy ho ariana
Ka na dia tsy eto anilako aza
Dia indro fa tazako mazava
Mamirampiratra ny fon ny olotiako
Ka mandrakizay tsy ariako
Fa tazako misento izy eo antongo-pandriana
Hoe any ho any izay ilay olo-tiana
Dia manontany tena hoe rahoviana vao mba hiaona
Mbola tsy fantatra mazava fa baraingo foana
Na lavitra aza ny toerana
Ny fitiavako azy fanamperana
Ka ny hoavy efa hita sahady
Ho iray izahay fa hitambatra hivady
Lavitra izy fa mbola ho tanteraka ny fikasana
Amin izany fotoana izany ho gaga ny iray tanana
Satria lavitra fa tsy akaiky
Ka izay no nahatonga ny olona niaiky
Hoe fitiavana tena marimpototra
Ka nosaromana akaso fa tsy tototra
Fa vao maika izy doroboka
Mamoa mihoatra noho ny voaloboka
Fa io ilay fitia voasedra
Tena izy fa tsy rendrarendra

Mikalo f'tia nat'urel
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
3092 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nat'urel
Nampiditra : Mikalofitia
Daty : 21/07/2015 15:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139