INTY AHO (Nat'urel)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Inty aho ry malala
Hifona aho raha azo atao
Omaly aho dia nisary adala
Ka nampirafy anao
Fahadisoako ilay izy
Nitondra ratra tao anaty
Fa nitady mamy tojo ny mangidy
Ny ranomasonao tsy tanty
Mifona re ry olo-tiako
Tamin ny namelako anao hangina
Fanahiniako nidifiako
Ny fonao ry ilay niriana
Inty aho dia mandady
Mifona re ka mivoady
Tsy hasiana man droa intsony
Ny adalana toy itony!
Ny ranomasonao no tazako
Manorika amin ny takolaka
Ka ho fafako re rahavako
Dia aminao aho no iantoraka
Dia mamela ahy amin izay
Hitoetra anilanao
Fa tena mafy loatra kay
Ary ny mampirafy tsy azo atao
Fa mitsako ny nenina aho
Fa lany vola tamin ny rendrarendra
Ka ianao novokisako tsaho milendalenda
Fa nody aho androany
Indro ianao nitomany
Dia handohalika aho eto alohany
Hanolotra hazo mba ho kapohany
Fa menatra noho ny ditra
Tsy hamerina intsony re amin ny sisa

Mikalo f'tia nat'urel
--------
Rohy:
Sokajy : Nenina - Fitiavana
1889 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nat'urel
Nampiditra : Mikalofitia
Daty : 21/07/2015 15:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097