HATRAIZA? (Nat'urel)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hatraiza re ny fetran ity fitiavana naorina
Mba handroso amin izay ve sa vaomaika hitorona
Mety mba hanavatsava sy handravarava ny akaso eto an-tany
Ka ny alaelo dia ho foana miaraka amin ny tomany
Satria ny fitiavana natolotro dia bediabe
Ary tiako isika roa mba hifampitantana eny amin ny arabe
Mbola nofinofy nefa izany fa rahoviana no ho tanteraka
Ny fikasako hoe isika roa hoe mba hifampiteraka
Ka hiaraka ho doria
Mety ho tanteraka ve sa sanatria!
Dia hatraiza ihany koa
Dia rahoviana isika roa
No hiara-hatory hiara-hifoha
Dia hiaraka hitaiza
Dia hifanjoy na hoaiza na hoaiza
Nefa izany mbola tsy fantatra
Fa mitoetra ho ankamantatra
Ka ny tongotra hafindra
Dia hiarahana mamindra
Ka figadona voarindra
Ka raha ianao no ho voafafa
Dia angamba kosa tsy tafa
Ka sanatria ho lasa
Dia mety ho olana aviany an kafa
Dia fantanina mipetraka amin ny sakaiza
Dia hoe ny fetra re HATRAIZA??? :-*

Mikalo F'tia Nat'urel
--------
Rohy:
1403 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nat'urel
Nampiditra : Mikalofitia
Daty : 15/07/2015 03:13
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151