LASA IANAO (Nat'urel)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
1/2
Ity foko ilay nitia tamin izany
Natory an-tratranao ka tsy nitomany
Nefa tampoka tsy nampoizina
Ity fahafatesana voaozona
Dia nandrodana tsy niera
Ity andry nato tsy ianjera
Ka ilay raozy an-jaridaina zaniriako hamelana
Dia indro fa nalazo ka nihitsana ity felana
Ka ianao ry tiako ilay mamy tato am-poko
Ianao ilay olotiako mpamafa ny toloko
Dia nandao ahy tsy ho itako intsony
Ampaherezina aho fa ny foko tsy hitony

Mety hahatsiaro ahy ve ianao ao am-pasana mangina
Hoe:"any izay nicole* malala sady olotiana"
Mino aho fa tsy hisy intsony izany
Fa izaho ilay tavela eto an-tany
No mametso ny fahiny
Mitomany ankehitriny
Fa mahatsiaro ny taloha
Ka tena ketraka tokoa

Tsy fidiny ho anao ity fandaozana tsy nampoizina
Naeno anao hoe maty aho saika hisotro poizina
Fa ianao ilay vatofantsika mitazona ny sambo
Ianao ilay ravaka haingon ny akanjo
No tsy ho hita mandrakizay
Dia mba ho aiza indray
Ny tenako dia kivy
Ny lalako aza tsy izy
...1/2...
--------
Rohy:
Sokajy : embona - Fitiavana
1720 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nat'urel
Nampiditra : Mikalofitia
Daty : 05/07/2015 02:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0481