You are here: home > Vetso

"Izy & Ianao" - Giovanni

Azo vakiana?

Fony ilay fitiavana vao niandoha
Ny hamamin'ny fitia rehefa niaraka nifoha
Ny fifandraisana eo himaso tany ampo tsy nifandao
No nitambatra ho "Ianareo" ilay "Izy sy ianao"

"Izy"
Ilay vahona mangidx nitambaran'ny mafaitra
Zanaky ny ambany tsy mahalala haitraitra
Mba te hatsapa izay mamy f'efa leo ny mangidy
Mbola manontany tena foana hoe iza marina izy

"Ianao"
Ilay loko hatsarana manaingo ny tontolo
Tsy misy mahahory fa hanananao daholo
Bika,voninahitra,haja,hantsaran'tarehy
Niaina-tsambatra amin'ny fiainana,fiadanam-be

"Ianareo"
Fitambarana samy hafa,mangidy sy ny mamy
Toetra tsy mitovy,f'ianao tsiky izy tomany
Fa nakamban'ny fitiavana hitambatra ho iray
Hifameno,hifanampy,hiara-dia mandrakizay

Mombamomba

Mpanoratra : Giovanni

Nampiditra : HerizoAlain
Daty : 12/06/2013
Mpamangy : 877
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Namako ianao nefa...
Tsy ho hadinoko ianao
Nifindra lasy
Mbola ho avy ilay maraina
Maladie d'amour
Ambarao