Namako ianao nefa... (Giovanni)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Namako ianao fa tsy fantan'ny fokoMisy fitiavana anao ato fa tsy hinoako
Nefa hiraiko mangina ho kalom-pitia
Hamoronako nofy miray,miara-dia
Andeha ho dinganiko nefa tsy ho vita
Ilay onin'drano mitohy eny am-pita
Andeha hirobohako nefa aho manahy
Hitako lavitra saingy misy fatorana
Tsy azoko alaina fa toa tara-bolana
Ilay fitia mangina mahatonga toloko
Nokoboniko ela ho anao tato ampoko
Fiharahana mandrakizay no hiriako
Fa namako ianao saingy raisiko ho tiako
Hangatahako amin'ny Avo mba hiray hatrany
Nefa ho mpifankatia sa...ho mpinamana ihany?
--------
Rohy:
Hevitra mandeha
mitsoa
(
12/06/2013 13:11)
zay tinao!
HerizoAlain
(
12/06/2013 14:18)
ko za tsy mafantatra anze ho avy fa ra ny tiko de le voalohany