ADALADALA ANIE NY FO (Nic Coper Ofisialy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ekenao ve ? fa adaladala anie ny fo,
No sady manana hery, hafahafa ihany koa,
Fa aina roa samy hafa, ny an-drangahy sy i Ramatoa,
No voatambany ho iray, noho ny fitiavan’izy roa.

Maro ireo tsara, sy manana ny ampy,
ka misikotra anao, sy maniry ny hiantsampy,
nefa tao tsy nanaitra, sy niherehinao akory,
Fa olon-kafa indray, no tsy ahitanao tory.

Ekenao ve ? fa adaladala anie ny fo,
Fa izay atorany aminao, dia tao hekenao avokoa,
Ka na manohatra aza ianao, dia zary miala maina,
Fa rehefa izy no mibaiko, dia toa resy hatramin’ny saina.


Misy ny efa fantatra, fa tsy ho sahaza anao izany,
Nefa ilay fo, mbola mandrisika hatrany,
Ka mahagaga ihany , no sady mahavariana,
Fa indaindray ny fo mihintsy, no toa mitady fahoriana.

Ekenao ve ? fa adalala anie ny fo,
Fa sady mampijaly, no mampifaly ihany koa,
Mahavita mampanembona izy, mahavita mampanonofy,
Nefa koa mandratra, raha sendra diso toky.


Eny Adala ra ny fo ,nefa singa iray lehibe,
Manoratra tantara, ho an’ny fiainan-olombelona,
Fa Motera ihany koa, izay tena miasa be,
Satria tranon-mpitia,no sady ilaina sy mamelona.

Ka ny fehiny dia tsotra, adala ra ny fo,
No sady namana mahatoky, tsy azo ariana ihany koa,
Satria raha tsisy azy, tsy ho isy ireo tantara,
Izay nihainanao, sy ho tsiahivina any afara,
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
143 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nic Coper Ofisialy
Nampiditra : francillon
Daty : 30/07/2024 07:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1123